John 5

1Taorian’izany dia nisy firavoravoan’ny Jiosy, ary niakatra ho any Jerosalema Jesosy. 2Ary tany Jerosalema eo akaikin’ny vavahadin’ondry, dia nisy farihy, izay natsoina tamin’ny Hebreo hoe Betesda, ary misy fialofana dimy izany. 3Maro ireo olona marary, jamba, malemy, na tsy afa-mihetsika natory tao. (Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra dia manala ny fehezanteny hoe: “Miandry ny fihetsehin’ny rano”) 4(Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra dia manala ny and. 4 hoe: “Fa nisy anjelin’ny Tompo iray nidina ka nampihetsika ny rano indraindray ary na iza na iza nandroso nankao rehefa nihetsika ny rano dia sitrana tamin’ireo aretina izay namparary azy na inona na inona.”)

5Ary nisy lehilahy anankiray teo izay efa narary valo amby telo-polo taona. 6Rehefa hitan’i Jesosy nandry teo izy, sy taorian’ny nahatsapany fa efa an-taona maro izy no teo, dia hoy Izy taminy hoe: “Te-ho sitrana ve ianao?”

7Namaly ilay lehilahy marary hoe: “Tompoko, tsy manana na iza na iza aho handroboka ahy ao anaty farihy rehefa mihetsika ny rano. Rehefa mandeha aho, dia misy misosoka eo alohako.” 8Hoy Jesosy taminy hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.”

9Avy hatrany dia sitrana ilay lehilahy, ka noraisiny ny fandriany dia nandeha izy. Ary Sabata izay andro izay.

10Dia hoy ireo Jiosy tamin’ilay sitrana hoe: “Sabata ny andro dia tsy mahazo mitondra ny fandrianao ianao”. 11Namaly izy hoe: “Ilay nanasitrana ahy no niteny tamiko hoe: ‘Ento ny fandrianao ka mandehana.’”

12Ary nanontany azy izy ireo hoe: “Iza ilay lehilahy niteny taminao hoe: ‘Ento ny fandrianao ka mandehana’?” 13Kanefa, ilay sitrana tsy nahalala Azy satria niala moramora Jesosy fa nisy vahoaka teo an-toerana.

14Nony avy eo, hitan’i Jesosy tao an-tempoly izy ka hoy Izy taminy hoe: “Indro, sitrana ianao! Aza manota intsony, mba tsy hitranga aminao ny zavatra ratsy noho ny teo.” 15Avy eo dia lasa ralehilahy ka nitatitra tamin’ireo Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy.

16Ary noho ireo zavatra ireo dia nanenjika an’i Jesosy ireo Jiosy, satria nanao ireo zavatra ireo tamin’ny Sabata Izy. 17Ary namaly azy ireo Jesosy hoe: “Ny Raiko dia miasa eny fa na ankehitriny aza, ary Izaho, ihany koa, dia miasa.” 18Noho izany, dia vao maika nitady hamono Azy ireo Jiosy tsy nohon’ny faniratsirany ny Sabata ihany, fa ny niantsoany an’Andriamanitra ihany koa hoe Rainy manokana, manao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

19Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa ny Zanaka dia tsy afaka manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray ihany, fa na inona na inona ataon’ny Ray, dia ataon’ny Zanaka ihany koa ireo zavatra ireo. 20Fa ny Ray tia ny Zanaka ka nampiseho azy ny zavatra rehetra izay nataon’ny tenany, ary hampiseho azy zavatra lehibe mihoatra noho ireo Izy mba ho gaga ianareo.

21Fa tahaka ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany ihany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany. 22Fa ny Ray dia tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny ny Zanaka ny fitsarana rehetra 23mba hanajan’ny rehetra ny Zanaka tahaka ny hanajan’izy ireo ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ilay Ray naniraka Azy.

24Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mandre ny teniko sy mino izay naniraka Ahy dia manana ny fiainana mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.

25Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa avy ny ora, ary tonga izany ankehitriny, rehefa handre ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ny maty, ary ho velona ireo izay mandre.

26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, no nanomezana ny zanaka ihany koa mba hananany fiainana ao Aminy, 27ary nomen’ny Ray fahefana hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak’olona.

28Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony 29ka hivoaka: ireo izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho amin’ny fiainana, fa ireo izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho amin’ny fitsarana.

30Tsy afaka manao na inona na inona raha Izaho ihany. Araka izay reko, no itsarako, ary ny fitsarako dia marina satria tsy mitady ny sitrapoko manokana Aho fa ny sitrapon’Izy izay naniraka Ahy. 31Raha tokony hanambara ny momban’ny tenako Aho, dia tsy marina ny fanambarako. 32Misy iray hafa izay manambara ny momba Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay lazainy momba Ahy.

33Nirahina tany amin’i Jaona ianareo, ary nanambara ny marina izy. 34Kanefa ny fanambarana izay raisiko dia tsy avy amin’ny olona. Milaza izany zavatra izany Aho mba mety ho voavonjy ianareo. 35Jaona dia jiro nirehitra sy nanazava, ary ianareo naniry ny hifaly vetivety tao amin’ny fahazavany.

36Kanefa ny fanambarako dia mbola lehibe noho ny an’i Jaona, fa ireo asa nomen’ny Ray ho tanterahiko, ireo asa izay ataoko ireo, no manambara ny momba Ahy fa nirahin’ny Ray Aho. 37Ny Ray Izay naniraka Ahy mihintsy no nanambara Ahy. Tsy mbola nandre ny feony na nahita ny tavany ianareo. 38Ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino ilay nirahiny ianareo.

39Mitady ny Soratra Masina ianareo satria heverinareo fa ao amin’ireo no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireo Soratra Masina ireo ihany no manambara momba Ahy, 40kanefa tsy vonona ny hanatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana.

41Tsy mandray laza avy amin’ny olona Aho, 42satria fantatro fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.

43Tonga amin’ny anaran’ny Raiko Aho, nefa tsy raisinareo. Raha misy hafa tonga amin’ny anarany manokana, dia ho raisinareo izy. 44Ahoana no hinoanareo, ianareo izay mandray laza avy amin’ny olon-kafa kanefa tsy mitady ny laza izay avy amin’Andriamanitra tokana?

45Aza mieritreritra hoe Izaho no hiampanga anareo anatrehan’ny Ray. Ilay iray miampanga anareo dia Mosesy, izay nametrahanareo ny fanantenanareo. 46Raha nino an’i Mosesy ianareo dia tokony hino Ahy, satria nanoratra ny momba Ahy izy. Raha tsy mino ireo nosoratany ianareo, dia ataonareo ahoana no hino ny teniko?

47

Copyright information for PltULB